ActualitésTsidika

Fandraharahana : Notokanana ny « Maison de l’entrepreneuriat » eny Ambohijatovo

Notokanana omaly ny tranon’ny mpandraharaha eny Ambohijatovo. Toerana izay ahafahan’ireo tanora maka hevitra, mamorina orinasa, misy toeram-pivoriana sy Internet izy io.

« Mpandraharaha ny tenako, ary zava-dehibe amiko ny fanampiana ireo tanora ho tia fandraharahana. Isan’ny fanamby napetrako izany ao anaty Programan’asa Veliranon’Iarivo » hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriatsitohaina Naina. « Trano natokana ho an’ireo orinasa efa mandroso na andalam-androsoana ity mba hahafahan’izy ireo mivelatra hatrany hanatsarany ny tontolon’ny fandraharahana. Fihaonan’ny samy mpandraharaha ihany koa mba hahafahna mifampizara traik’efa » hoy ny masoivohon’ny France, Christophe Bouchard.

Tsara raha velarina eto amintsika tokoa ny tontolon’ny fandraharahana mba ahafahan’ireo tanora mampiasa ny fahaizany sy manana ny orinasany manokana. Tsy mifidy taona tokoa mantsy izany fa na mbola mpianatra aza dia afaka ny ho mpandraharaha.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire