Miverina ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina
Miverina ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina
Hanomboka amin’ny 13 Mars izao ny fiverenana amin’ny fampianarana ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitra Siantifika mivelatra.
Ho an’ireo fanadinana na fanohanana vokam-pikarohana tsy vita tamin’ny taom-pianarana lasa, dia azo tanterahina alohan’io daty io izany, araka ny fanapahan-kevitra nosoniavin’ny Filohan’ny Oniversite, Pr Diny Razanakolona.
Ho an’ireo toeram-pianarana mbola tsy tomombana kosa, dia hampiharina ny fampianarana ampitain-davitra. Na izany aza, efa misy efitrano iray isaky ny établissement ahitana wifi azo ampiasaina, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny Oniversite ao Barikadimy.
© Oniversiten’i Toamasina
