Dépêches

Tsy manaiky ny lalàna navoakan’ny HCC ny RMDM

16 Jolay, 10h12. Nilaza ny hilatsaka an-dalam-be ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM izay tarihan’i Pasitera Tsarahame Edouard amin’ny herianndro ho avy izao. Izany dia noho ny tsy fanekena sy fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mikasika ny sata mifehy ny mpanohitra izay lalàna laharana faha 08-HCC/D3 ny 21 jona lasa teo mifandray amin’ny lalàna laharana 2021-006 raha nanovana ny lalàna laharana faha 2011-013 tamin’ny 9 septambra 2011.

Laisser un commentaire