ActualitésTsidika

Ambohimanatrika Tanjombato: Nahazo fanampiana ny tra-boina miisa 602 tafo

Tokantrano miisa 602 teny Ambohimanatrika Tanjombato no nisitraka fanampiana avy amin’ny fikambanana Fitia izay tarihan’i Ramatoa Mialy Rajoelina. Vatsy ilaina amin’ny fiainana andavanandro no azon’izy ireo toy ny vary, menaka, voamaina, savony sy maro hafa. “Tena mampihetsi-po tokoa izao fanehoam-pitiavana asehonareo izao. Namely mafy anay ny tondra-drano. Mbola manana reny anefa izahay nitsinjo anay sy nanampy anay” hoy i Florence, mponina ao Ambohimanatrika. “Tsy hay ny hijery fotsiny ny fahorianareo. Nitondra vatsy maro isan-karazany izahay izao hozaraina amin’ny tokantrano miisa 602” hoy ny filohan’ny fikambanna Fitia, Mialy Rajoelina. “Mankasitraka indrindra fa tsy nataonareo ambaninjavatra ny mponina teto Ambohimanatrika. Hita fa faly tokoa ny vahoaka mandray izany ary tena ilainy tokoa” hoy ny Ben’ny tanànan’i Tanjombato, Andriatsitohaina Claudia. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy kidoro ihany koa ireto tokantrano maro be ireto.

Laisser un commentaire