ActualitésTsidika

Tsy nahenoana feo intsony i Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ilay akanjo lafo be

Niparitaka nanerana ny tambajotran-tserasera ilay akanjon’i Rajoelina Arena nanaovany nandritra ny fitokanana ny kianja Barea teny Mahamasina izay mitentina 9 257 167 Ariary na 1 990 Euros.

Betsaka ny variana amin’ny vidin’ity ankajo ity ka tao ny nilaza fa « ny gasy tsy mihinan-kanina kanefa ny an’ny hafa ny akanjo aza vidiana lafo ». Vao volana maromaro ihany koa izay no niteraka resabe ny saram-pianaran’ity zanakin’ny filoha ity any ivelany. Volam-bahoaka ve no hahazahoany izao ? Hoy ny maro an’isa.

Toy ity tantara ity ihany koa ny nahazo ny vadin’ny filoha Rajanaonarimampianina Hery tamin’ny androny raha nanao akanjo lafo vidy miendrika mananasy. Ny Minisitry ny serasera amin’izao, Rakotondrazafy Lalatiana, aza tamin’izany fotoan’izany nilaza fa volam-bahoaka no nividianana ny akanjo mananasy. Volam-bahoaka ihany koa izany no nividianana ity akanjo lafo vidy ity ? Tsy nahenoana feo ihany koa ny ramatoa tamin’ity akanjon’ny zanakin’ny filoha ity. « Manainga an’i Lalatiana indray izahay hitsikera toy ny efa fanao hatramin’izay izay tsy hita izay maharatsy azy no talentany rahateo » hoy i Naly, tao anaty tambajotran-tserasera. Efa tsara seza ve ka tsy niteny intsony sa mety mbola haneho ny heviny ihany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire