ActualitésTsidika

Anjeva : Hisy ny fahatapahan-dalana ny alarobia 14 febroary

Hisy ny fahatapahan-dalana ao amin’ny kaominina Anjeva gara, ny alarobia 14 febroary izao. Hanomboka amin’ny 07ora sy sasany hariva izany ka hatramin’ny 5ora maraina.

« Ho tapaka tanteraka ny lalana, eo amin’ny passage à niveau, noho ny fanamboarana ataon’ny orinasa Somatrafer. Izy ireo moa izay miasa ao anatin’ny famerenana ny fitaterana an-dalamby ka hampiomanina sahady ny rehetra ary hentanina hanaraka ny fandamianana » hoy ireo tomponandraikitra.

«  Ela no niandrasana izany fanapahan-kevitra izany, anisan’ny lalana mila fijerena manokana mihitsy io ka hisaorana ny tomponandraikitra nandray fepetra ka hitondra fanamboarana. Tsy ho an’ny lalam-by ihany fa ho an’ny endriky ny tanàna eto Anjeva dia hanatsara ny tanàna izany » hoy i Lanto, mponina ao Anjeva.

Raha tsiahivina, ny orinasa Somatrafer no orinasa mandray an-tanana ny asa famerenana ny lalam-by sy ny fitaterana andalam-by, izay tetik’asan’ny fanjakana. Ao anatin’ny fanatanterahana ny asa tanteraka izy ireo amin’izao fotoana ka ao anatin’izany ny fanamboarana ireo lalana fandehanan’ny fiara.

Laisser un commentaire