SportTatitra

NBA : Nisy ny lanonana nentina nahatsiarovana an’i Kobe Bryant

Nisy ny fahatsiarovana an’i Kobe Bryant, ilay kintan’ny basket-ball, mpilalao tao amin’ny Lakers, ny faran’ny herinandro teo. Nentina nanamarihana sy nanomezam-boninahitra azy, dia namoaka sarivongana iray, izay maneho an’i Kobe, nivoaka ny kianja ny 22 janoary 2006, izay nadresy an’i Toronto, tamin’ny isa 81, izay manatsotra ny tanana ary manondro ny lanitra. Manandratra ny hambopon’ny mpilalao baolina baskety ny fahitana ity sary ity, fa indrindra mahatonga ny toe-tsaina tsy manaiky resy, izay efa nanan’ity mpilalao ity hatramin’izay dia ny « Mamba mentality ». « Tsy ho an’i Kobe ihany izao fotoana izao, fa natao ihany koa ho an’ireo izay nanohana azy hatramin’izay » hoy ny vadiny Vanessa Bryant. Raha tsiahivina, in-dimy nandresy nandritra ny NBA i Kobe Bryant, ary in-valo ambiny folo tamin’ny All-star. I Koby Bryant moa izay namoy ny ainy, niaraka tamin’ny zanany vavy, nandritra ny fianjeran’ny angidim-by nitondra azy ireo ny 26 janoary 2020 tany akaikin’i Los Angeles.

Laisser un commentaire