Sabotsy Namehana : Lehilahy tratran’ny zandary avy nanendaka vehivavy bevohoka
Lehilahy iray no noraisim-potsiny rehefa avy nanendaka vevhivavy mitondra vohoka, teny Beravina, kaominina Sabotsy Namehana, ny faran’ny herinandro teo. Zandary mpanao fisafoana teny an-toerana mihitsy no nahita ny zava-nitranga, ka nandraisana fepetra avy hatrany.
« Efa lasany ny vola, efa natosiny nianjera ihany koa ilay vehivavy ka niakarapoka mafy no nandalo tampoka ny zandary avy ao amin’ny Brigady Sabotsy Namehana. Tsy afa-nandositra ralehilahy fa noraisim-potsiny » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
« Misy ireo angom-baovao avy amin’ny mponina eo anivon’ny fiaraha-monina, misy ihany koa ny fikaroham-baovao ataon’ny zandary ka ireny no entin’ireo zandary misehatra eny an-kianja mandamina ny paikadiny entina hamongorana ireo mpanao fandikan-dalàna » hoy hatrany ny fanazavana.
Manao ezaka hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Anisan’ny paik’ady mahomby ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana ao anatin’izany. Mbola manentana hatrany mo aizy ireo ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina sy ny zandary ho famongorana ireo mpanao ratsy.
