Fifaninanana Tsidika- Sokajy Toeram-pizahan-tany- Kaominina Anosy Avaratra
Fasan-dRanivo maritiora
Fasana miavaka ara-fotodrafitr’asa indrindra ao an-toerana. Teo amin’ny sokajy Hova i Ranivo maritiora ary mpivavaka kristiana ka tsy natahotra nodorona velona noho izany nandritra ny fitondran-dRanavalona I. Narovan’ny dadatoa, izay mpikambana tao amin’ny fondran’io mpanjaka vavy io kosa izy, ka tsy voahombo tamin’izany. « Pneumonie » kosa no nahafaty azy.
