ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hitohy mandritra ity volana desambra ity ny fiofanana maimaim-poana ao amin’ny BTC

Hitohy ary maimaim-poana hatrany ny fiofanana izay atolotry ny BTC Ambohimangakely, mandritra ity volana desambra ity. Araka ny voalaza, mitohy hatrany ny fandraisana mpiofana sy ny fisoratana anarana amin’ny taranja teny frantsay ao amin’ny ivon-toerana, amin’izao fotoana izao.

« Maimaim-poana ny fiofanana ho an’ny taranja frantsay mandritra ity volana ity. Ny fianarana ny taranja frantsay moa izay maharitra roa volana ka ny volana manaraka ianarana vao mandoa saram-pianarana ny mpianatra » hoy i Tata, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC.

« Manampy amin’ny fahaizana ireo teny frantsay fototra, fampiasa andavan’andro no tena zava-dehibe amin’ny fanohizana ny fiofanana ato amin’ny BTC. Anisan’ny manampy amin’ny fampiarana any an-tsekoly ihany koa izany » hoy i Mahery, mpianatra.

Ho fanomezana fahafaha-po sy hanampiana ireo mpianatra, indrindra fa ireo tanora ao amin’ny kaominina Ambohimangakely sy manodidina moa no tena anton’izao fanomezana fiofanana izao. Mbola maro ihany koa anefa ireo taranja hafa afaka hiofanana ao amin’ny ivon-toerana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire