Qatar : Nihaiky ireo mpikarakara fa nisy ny aina nafoy nandritra ny fananganana ny kianja
Niteraka resa-be ny fametrahana ny fikarakarana ny « Mondial 2022 » tamin’i Qatar. Nifanesy ny resa-be momba ny fiahiahiana kolikoly tao anatin’izany, ny akony ara-tontolo iainana fa indrindra ny ny raharaha momba ny zon’olombelona.
Raha tsiahivina dia mpiasa mpifindra monina no nampiasain’i Qatar tamin’ny fananganana io kianja hanatontosana ny lalao amin’izao fotoana io. Nahatratra an’arivony maro izy ireo, nisy avy tao Pakistan, Inde, Sri Lanka, Bangladesh ary Népal.
Niaiky ny komity mpikarakara ny lalao nandritra ny valan-dresaka iray fa manodidina ny 400 sy 500 isa ny mpiasa mpifindra monina maty nandritra io asa io. Nilaza izy ireo fa misy ny fanatsarana tokony ho atao amin’ny fitondrana ireo mpiasa. Tokony hanaratra ny fenitra ara-pahasalamana, fiarovana ayry fonenana izany hoy i Hassan Al-Thawadi fa indrindra, mila ravana ny « système de Kafala » hoy izy.
