Côte d’Ivoire : Nihaona i Alassane Ouattara sy i Laurent Gbagbo
Nisy ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena any Côte d’Ivoire, Alassane Ouattara sy ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo ny talata 27 jolay lasa teo tao amin’ny lapam-panjakana Abidjan. Mivoitra amin’ny amin’ny herisetra izay niteraka krizy ara-politika tany an-toerana ny taona 2010 ny fihaonana teo amin’ny roa tonta.Ity no fihaonana volaohany teo amin’ireto filoham-pirenena nifandimby ireto taorian’ny fifidianana ny taona 2010. Efa nifanao antso an-tariby izy ireo tamin’ny voalohan’ny volana jolay fa izao vao nihaona nivantana. Tanjona ny hanalefahana ny fiainana ara-politika any Côte d’Ivoire taorian’ny nahatongavan’i Laurent Gbagbo an-tanindrazana ny 17 jona lasa teo. Nilaza mpitondra tenin’ny antoko misy ity filoha teo aloha ity, Front Populaire Ivoirien FPI, Franck Anderson Kouassi fa efa manana toe-tsaina malalaka i Laurent Gbagbo ary vonona ny hiresaka sy hihavana.
