ActualitésTsidika

Mitohy hatrany ireo fiahiana ny mponina marefo any Androy

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ireo fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana amin’izao, indrindra amin’ny fiahiana ireo mponina marefo, izay irahana amin’ny CCOK. Isan’ny misitraka ny vatsy ara-tsakafo sy fitsaboana ary lamba fitafy ireo mponina marefo any amin’ny Distrikan’Ambovombe, ao amin’ny Fokontany Talaky.

Vahaolana maharitra anefa no tena ilain’ny vahoaka marefo mba tsy hamparefo azy ireo intsony, izany rahateo no fanomezan-toky nomena ny vahoaka : vahaolana maharitra no ho atao any Atsimo. Ny sakafo indray mihinana, ny fitafy mora rovitra, tsy maharitra izany. Na izany aza anefa dia nankasitraka ny fanampiana ny vahoana teny ifotony. « Mankasitraka amin’ny fanampiana fa mahatsapa tena izahay fa tsy ho irery akory fa eo mandrakariva ny fitondrana amin’ny fitadiavana ny vahaolana maharitra iadiana amin’ny kere » hoy ny fokonolona teny an-toerana.

« Vahaolana ny fananganana tetik’asa ho an’ny kere mba hahatonga azy ireo hanana sakafo mandavan-taona, mila hahetsika ireo tanora mpikaroka fa izy ireny dia mahita hevi-baovao foana » hoy i Fréderic, mpandalina manokana mikasika ny fiarahamonina. « Miezaka mitady izay mety hatrany isika mba hampandrosoana ny havantsika any Atsimo » hoy ny fitondram-panjakana manoloana izany. Manokatra lalana ho an’ny tanora manam-pahaizana tokoa ny fanomezana azy ireo anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Isan’ny vahaolana maharitra ny fanosehana ireo tanora handrato fahalalana. Rahoviana anefa vao ho tapitra ny kere any Atsimo ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire