Anjerimanontolo : Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fidiran’ny mpianatra
Ny oniversite Fianarantsoa Andrianjato no nandray ny lanonam-panokafana tamin’ity taona 2021 ity. Olom-panjakana maro isan-tsokajiny no tonga nanome voninahitra ny fotoana.
Ny datin’ny 04 oktobra lasa teo no nokasaina hiverina an-tsekoly indray ireo mpianatra saingy nihemotra noho ny fisian’ny fitokonan’ireo mpiasa teo amin’ny oniversite izany. Etsy andaniny, mbola manohy hatrany ny fitokonana ireo mpampianatra mpikaroka, mpiasa ara-pitantanana sy ara teknika eny amin’ny oniversite Fianarantsoa Andrianjato. Fangatahana ny karama mbola tsy voahefan’ny fanjakana no anton’ny fitakian’izy ireo.
Nanatrika ny lanonam-panokafana ny fidiran’ny mpianatra ihany ireto mpiasa nitokona saingy nisafidy ny hiakanjo mainty ho fanamarihany fa mbola mitohy hatrany ny fitokonana ataony. « Ho taom-pianarana hanjakan’ny filaminana anie ity taom-pianarana ity » hoy i Valisoa, mpianatra avy aty Antananarivo nanatrika ny fotoam-panokafana.
« Nanaiky ny hampitsahatra ny fitakiana ireo mpiasa nitokona nandritra ity andro voalohany ity, izay fanokafana ny fidirana eny amin’ny anjerimanontolo ity. Izany hoe misompatra ny fampianarana fotsiny izy ireo fa tsy mbola mihatra aman’aina ny fangatahany » hoy i Mialy, mpianatra taona fahatelo.
« Hotohizana hatrany ireo ezaka niaraha-nanao teo amin’ny fampianarana hatramin’izay, tsapa fa tsy mora izany saingy ny fiaraha-mietan’ny mpisehatra rehetra ihany no ahafahana mampandroso » hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. « Voninahitra ho anay eto amin’ny faritr’i Fianarantsoa ny fandraisana izao lanonana izao, isaorana ireo mpitondra ny fanjakana nanome alalana tamin’izao fidirana amin’ny fomba ofisialy izao » hoy i Pr Rafamantanantsoa Fontaine, filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa.
Miroso miandalana ny fanatanterahana ny velirano faha efatra, ny fampianarana ho an’ny rehetra, ireo minisitera isan’antokony mahakasika izany. Saingy misy hatrany ireo olona misakana ny fampandrosoana entin’ny fampianarana ho an’ny firenena. Loza ho an’ny firenena anefa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny resaka fampianarana izay fitaovana enti-miady amin’ny fahantrana. Fampandrosoana toy inona tokoa moa no andrasana raha toa ka mikatso tanteraka ny fampianara ?
Haingotiana Andriamihaja
