Ankadikely Ilafy : Nankalaza ny andiany faha-17 ny « Angaredona Mozika Festival »
Nankalaza ny andiany faha-17 amin’ny « Angaredona Mozika Festival » ny tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny zoma lasa teo. Ao anatin’ny fanomezana vahana ny mozika Malagasy sy ny kanto Malagasy, mitety faritra ny « Angaredona Mozika Festival » ka nahazo anjara tamin’ny fampisehoana sy fampahafantarana izany ny tao an-toerana.
« Manandratra sy mitrandraka ny kolontsaina maha Malagasy no tanjona ao anatin’ny hetsika, faly dia faly ny kaominina nandray ireo mpanakanto sy ny fandalovany teto Ankadikely Ilafy. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vina fahafiton’ny kaominina ny fampiroboroboana ny zava-kanto sy ny fizahan-tany ka dia tena afa-po » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Anisan’ny mahafinaritra ny hetsika tahaka izao, manome lanja ny kanto Malagasy izay efa adinodinon’ny ankizy, indrindra ny tanora ankehitriny. Indrindra ireo gadona manamarika ny maha Malagasy, ny hira, ny dihy » hoy i Onitiana, mpianatra amin’ny sehatra Malagasy.
Tamin’ny fandalovan’ny hetsika tao amin’ny kaominina moa, dia ny tarika « Tambour Gasy » sy ny tarika « Ravaky ny Ala » no naneho ny kantony tao an-tokotany malalahy ny kaominina. Mila aseho matetika tokoa ny kanto Malagasy hahafahana mampita izany amin’ny taranaka, indrindra mba tsy hahalefy laza azy manoloana ny fanatotoloana.
Manitra Ramanantsoa
