Fanatanjahantena: niondrika nanoloana ny Barea U23 ry zareo avy any Seychelles
Dépêche 26 septembre, 13h, Tsy nitsanga-menatra nanoloana ny Seychelles i Madagasikara tamin’ny lalao mandroso natao tao amin’ny kianja Barea Mahamasina satria nitondra mavesatra mihitsy ry zareo tamin’ny alalan’ny isa 5 noho ny 0. Tsy menatra tokoa satria nandray vahiny mbola naharesy ihany, ao ihany koa na ny fanandratana ny voninahitry Madagasikara satria na ny lalao mandroso na ny lalao miverina dia ho tanterahina eto Madagasikara avokoa noho ny tsy fananan’ny Seychelles kianja manaraka ny fenitra. Fiadiana ny toerana hiatrika ny lalao CAN U23 ity natao ity ary azo lazaina ho tsara toerana ihany isika.
