Fanjonoana : Mikatona ny fanjonoana oratsimba manomboka ny voalohan’ny volana janoary izao.
Dépêche 27 décembre, 15h, Manomboka ny voalohan’ny volana janoary ka hatramin’ny 31 martsa izao dia voarara ny fanjonoana ny oratsimba any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo-Atsinanan’ny Nosy. Ankoatra ny fanjonoana anefa dia voarara ihany koa ny fivarotana sy ny fanjifana izany ho an’ireo izay voakasik’izay. Entanina araka izany ireo mpivarotra mba hanao ny fanambarana ny tahirin’izy ireo mialohan’ny 9 janoary izao. Izany moa no natao mba hahafahana mampitombo ny taranak’ireo oratsimba hivoatra tsara araka ny tokony ho izy amin’io vanim-potoana io.
