Antsohihy : Tsy hitsitsy ny zandary manoloana ny asan-dahalo
Mirongatra ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana amin’iny faritra Sofia iny. Nilaza ny avy ao amin’ny Zandarimaria fa tsy hitsitsy ary hanao hazalambo ireo dahalo mpampahory vahoaka ireo.
« Miantso ireo dahalo hilavo lefona izahay. Mbola afaka manatona anay tsara ianareo dieny izao raha tena vonona hiova fo hametraka ny basinareo. Mitohy ny fandraisana andraikitra ary hetitra izahay eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary tsy handefitra. Tsy vatana mandehadeha ny zandary fa mitandro ny filaminana‚ miaro ny vahoaka sy ny fananany ary manana fitaovana ampy ampiasaina amin’izany » hoy ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Antsohihy, CNE Tobias Andriatsihoarana. « Mbola misy ireo dahalo ho atao hazalambo ankehitriny. Mangataka ny fiaraha-miasa amintsika vahoaka izahay mba hampandre avy hatrany raha misy ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto Sofia » hoy hatrany izy.
Vao herinandro izao no nandraisany ity fibaikoana ity, ary dahalo miisa telo no efa maty voatifitra. Tanjon’izy ireo hatrany ny hanadio ny tanàna sy handrava ny asan’ny dahalo.
Nicole Rafalimananjara
