Conseil

Torohevitra: Inona ny tombontsoa amin’ny fisotroana café?

Isan’ireo zava-pisotro fisotron’ny ankamaroan’ny olona ny café. Misy mihitsy aza ireo miankin-doha aminy ary tsy mahavita n’inon’inona raha tsy misotro kely. Maro mihitsy ny tombontsoa amin’ny fisotroana ity rano mainty ity. Sady manome hery izy no mampatanjaka ary izany indrindra no mahatonga ireny mponina ambanivohitra ireny tena mila azy. Misotro café vao maraina satria mbola hiatrika ny asa mafy eny an-tsaha.

Miaro betsaka amin’ny mety hisian’ny diabeta ihany koa ny café. Tsara ho an’ny saina ary miaro amin’ny rarintsaina sy ny fikorotanan’ny saina. Manala tavy ihany koa izy. Tsara ho an’ny aty, ho an’ny fo. Manala fanaintanaina toy ny aretin’andoha. Tsara ho an’ny hoditra ihany koa. Tokony tsy hisotro mihoatran’ny 1 kaopy isan’andro anefa isika fa manjary miteraka fikorotanan’ny torimaso indray izany. Ny tena tsara dia tsy asiana siramamy ny café sotroina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire