Anjeva Gara : Misy ny Faribolana Sandratra
Efa ho herintaona izao no nisokafan’ny Faribolana sandratra Sampana Anjeva Gara. Tamin’ny 17 Aprily 2021 no niorenany tany an-toerana.
« Miezaka miparitaka hatrany ny Faribolana Sandratra. Hanandratra avo ny teny Malagasy sy ny asasoratra Malagasy no tena tanjona. Mila fohazina ao anatin’ny tanora ny aingam-panahy hamelomana hatrany ny teny » hoy ny avy ao amin’ny Faribolana Sandratra Foibe. « Efa ela no tiana ny asasoaratra Malagasy. Manampy betsaka izany talenta izany ny fidirana amin’ny fikambanana sy vondrona tahaka itony. Miantso ny tanora rehetra mba hamelo-maso hatrany ny literatiora Malagasy » hoy ireo tanora mpikamabana ao Anjeva Gara.
Efa niorina tamin’ny fomba ofisialy, ary miara-miasa akaiky amin’ny Ministera amin’ny fampiroboroboana ny literatiora sy ny kolontsaina Malagasy ny Faribolana Sandratra. Efa miparitaka manerana ny faritra maro izy ity.
Nicole Rafalimananjara
