SocialTatitra

Kenya : Nekena ny fandrarana ny famorana ny vehivavy (MGF)

Nanamafy ny fandarana ny famorana atao ny vehivavy (Mutilations Génitales Féminines, MGF) ny tribonaly ao Kenya. Fomba fanaon’ny mponina ao an-toerana hatr’izay ny MGF. Manomboka eo amin’ny taona maha mpitovo ny vehivavy iray no hanaovana ny famorana ao an-toerana. Tsy ny ao Kenya ihany anefa no manao ity fomba ity. Efa manodidina ny 200 tapitrisa ireo vehivavy voafora erak’izao tontolo izao. Aty Afrika, Asie ary Moyen-Orient kosa no tena ahitana tranga betsaka indrindra. Sokajian’ny fikambanambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) ho tsy fanajana ary fanitsakitsahana ny zon’ny vehivavy mihitsy anefa io fomba io. Antony nanosika an’I Tatu Kamau, mpiasan’ny fahasalamana, hiady ho an’ny fandrarana ny fanaovana izany. Tsy ny governemanta velively no manome baiko amin’ny fanaovana ny MGF fa ireo olona taloha mbola manome lanja ny nentim-paharazana. Vokatr’izany, na eo aza ny sazy 3 taona an-tranomaizina sy ny fandoavana lamandy 2000 dolara (8 000 000 ariary) ho an’izay tratra, mbola misy hatrany ireo vondron’olona manohy ny fanaovana azy io, indrindra ny any ambanivohitra.

Laisser un commentaire