Etats-Unis : Renim-pianakaviana meloka ho noho ny famonoan’olona nataon’ny zanany
Tantara iray nanamarika ny tao Etats-Unis no nataon’ity renim-pianakaviana iray izay meloka noho ny famonoana olona nataon’ny zanany, tany Michigan. Tamin’ny taona 2021, ny zanany lahy 15 taona, antsoina hoe Ethan Crumbley, no namono nahafaty, mpianatra miisa efatra tao amin’ny sekoly nianarany, tao amin’ny Lycée d’Oxford. Ny 06 febroary teo no natao ny fitsarana ity raharaha ity, ka tamin’izany no nanamelohan’ny fitsarana ity renim-pianakaviana ity fa namono olona tsy an-tsitra-po, noho ny tsy nahavitany araka ny tokony ho izy ny andraikitra maha raiaman-dreny azy. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, nanana basy ity zazalahy, 15 taona, ity ary namoaka sy nampiasa izany tao amin’ny lalan-tsaran’ny sekoly. Mpianatra efatra no maty teo no eo ary fito hafa naratra mafy.
