France : Mpianatra iray no niaran’ny herisetra tao amin’ny sekoly iray tao Pontet
Mpianatra roa no nifamaly tao amin’ny kolejy Jules-Verne, ao Pontet, Avignon. Ny marain’ny talata 2 may teo no niseho io tranga io. Rehefa raikitra ny fifandirana teo amin’ny mpianatra dia tonga hatramin’ny fikasihan-tanana izany.
Avy hatrany dia notsatohan’ilay mpianatra iray zava-maranitra antsoina hoe « cutter » ilay tovolahy iray 16 taona nifamaly taminy. Avy hatrany dia noentina tany amin’ny hopitaly tao Avignon ity farany ary tsy misy ahatahorana ny ainy. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny niandohan’ny fifandirana saingy efa eo am-panatanterahana ny fanadihadiana ireo zandary.
