Ambohimangakely : Nasiana jiro manazavana ny tanàna ny fokontany Antanambao sy Tsarahasina
Mitohy hatrany ny ezaka fanomezana hazavana isam-pokontany ataon’ny kaominina Ambohimangakely. Nitohy teny amin’ny fokontany Antanambao sy ny fokontany Tsarahasina indray ny fametrahana ireo jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, ny alatsinainy teo.
« Manao ezaka hatrany ny fiadidian’ny kaominina sy ny jirama amin’ny fametrahana ireo jiro entina manazava ny lalankely sy ny arabe ary ireo toerana tena maizina ety an-toerana. Mazava ny lalana ary manampy amin’ny fandriam-pahalemana ny hazavana » hoy ireo tomponandraikitra.
« Ilaina ny ezaka ho fampandrosoana ny tanàna, fa ao anatin’izany zava-dehibe ny fanentanana ny mponina ahay hikojakoja sy ho sarotiny amin’izy ireny. Ankoatra izay ihany koa anefa mila jerena ireo asa fampandrosoana hafa satria mifampiankina avokoa izany raha tiana hivoatra ny tanàna » hoy i Avotra, mponina ao Ambohimangakely.
Maro ireo asa fampandrosoana mbola handrasan’ny mponina ao an-toerana. Ankoatra ny hazavana sy ny lafin’ny fandriam-pahalemana, dia mampitaraina ny mponina ihany koa ny resaka lalana.
