ActualitésTsidika

Ny famoronana orinasa misehatra amin’ny tranonkala

Anisan’ny miroborobo sy tena mahomby tokoa amin’izao vanin’andro izao irony asa teknolojika irony ary anisan’izany ny varotra sy serasera amin’ny alalan’ny tranokala.

Ny famoronana orinasa « digitale » dia tsy dia tena samihafa amin’ny famoronana orinasa mahazatra. Ny antontan-taratasy ilaina raha ny resaka maha-ara-dalàna dia mitovy ihany. Ny tena mampiavaka azy dia ny fihenan’ny vola mivoaka raha hanangana zavatra iray. Ohatra amin’izany ny fihenana tsy azo afenina raha ohatra ka hanangana toeram-pivarotana ianao, tsy mila trano mitentina aminan-tapitrisa.

Ny tena vidiny lehibe dia ny fananganana ny tranokala itoeran’ny toeram-barotra sy ny aro rehetra tokony atao mba tsy hisian’ny halatra ao na ny « piratage ». Rahefa voatsangana tsara ilay tranokala dia tsy maintsy mieritreritra ny paikady nomerika mifanarana amin’ny fantsona fizaranao ianao (canal de distribution). Ary indrindra manadihady ny vidiny mifanaraka amin’izay mba tsy hivaona amin’ny vola mivoaka noeritreretinao.

Laisser un commentaire