ActualitésTsidika

Tinder : Fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fitiavana

Natomboka tao amin’ny toeram-pianarana iray tany Etats-Unis ny Tinder tamin’ny taona 2012 ary lasa toerana iray hahafahana mitady ny silam-panahy na tsy silam-panahy. Anisan’ny malaza indrindra izy raha amin’io resaka io ary eo amin’ny 340 tapitrisa mahery eo ny tahan’ny fangalana azy amin’ny tranokala. Maneran-tany ity « application » ity ary tena fitobian’ny mpitovo rehetra (angamba).

Ny foto-kevitra ijoroany moa dia ny hoe mety misy fifandraisana na « compatibilité » ireto olona roa ireto ka ampifandraisiny. Na fitadiavana ny tena fitiavana izany na finamanana tsotra na koa fotsiny hoe te hiala voly dia natao ho an’izany inty farany. Maro ireo mpitovo no manandrana ka lasa miankin-doha aminy amin’izao fotoana izao satria ny fifandraisana voalohany amin’ilay mety ho tena fitiavana dia tsy mivantana fa amin’ny alalan’ny hafatra miafina. Nefa maro koa ny loza mety entiny satria maro ireo mpisandoka sy mpisoloky. Betsaka ny fa tratra ary maro ireo mbola ho tratra.

Laisser un commentaire