ActualitésTsidika

Amporisihana ny fampiasana ny fatana « gaz »

Ao anatin’ny paikady fahafito voalazan’ny tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD 7) napetraky ny ONU ny fahazoan’ny mponina angovo azo havaozina ary amin’ny vidiny mora. Ny 2 jolay teo no natao sonia ny fifanarahana teo amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ny ministera MEF ary ny vaomieran’ny CMDB. “Tafiditra ao anatin’izany ny fizarana tavoahangy sy fatampera ho an’ny tokantrano 15 000 amin’ity taona ity” hoy izy ireo.

Nohamafisiny fa hisy fihenam-bidy ho an’ireo fitaovana izay ahitana tavoahangy gazy miisa 90 izay milanja 9 kilao ny iray. Aty am-bolaohany kosa dia hisy ny fivarotana gazy amin’ny antsinjarany mitentina 3 000 Ar sy tavoahangy madinika 4, 5, 6 kilao. Mbola ny tony fivarotan-dasantsy eto Antananarivo sy Mahajanaga aloha ny misitraka izany hatreto.

Araka’izy ireo hatrany dia entina hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa ity fifanarahana ity ka tafiditra ao anatiny ny fambolen-kazo 60 isan-taona. Firy isan-jaton’ny Malagasy anefa no manana fahefana ampiasa fatana gazy izany ?

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire