SocialTatitra

Philippines : Tsy latsaky ny 50 no matin’ny lozam-piaramanidin’ny tafika

Fiaramanidin’ny tafika nitondra olona 92 no nianjera ny alahady lasa teo tany atsimon’i Philippines hoy ny filohan’ny tafika any an-toerana, Jeneraly William Gonzales. Miisa 50 no maty tao raha saika hamonjy ny nosy Jolo ny fiaramanidina. Miisa 50 kosa ireo avotry ny fitaovana ho an’ny afo, C-130.

Efa nanomboka tany amin’ny nosy Cagayan de Oro no nitondra ireto mpandeha ireto ary saika hipetraka no tsy voatana intsony hoy ny Jeneraly Cirilito Sobejana. Misokatra ny fanadihadihana ny amin’ny tena zava-nisy marina nahatonga ny loza hoy ny mpitondra tenin’ny tafika an’habakabaka, lieutenant-colonel Maynard Mariano.

Laisser un commentaire