ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Hafaliana no nandraisan’ny mponina an’i Coach Romuald Rakotondrabe

Tamin-kafaliana no nandraisan’ny mponina sy ny kaominina Ambohimanga rova an’i coach Rôrô, izay mpanazatra ny mpilalaon’ny Barea, nandray anjara tamin’ny Chan 2022 farany teo. Ny alahady teo no nandraisana sy nitsenan’ny mponina azy tao Ambohimanga Rova, izay kaominina niaviany.

« Fisaorana sy fankasitrahana feno no atolotra ho an’i coach Rôrô, ny amin’ny fotoana nifampizarana niaraka tamin’ny vahoakan’Ambohimanga rova sy ireo zava-bitany ka nanondrotany avo ny voninahi-pirenena Malagasy ka nahazoana ny laharana fahatelo tamin’ny Chan 2023 » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimanga rova.

« Mirehareha tokoa ny kaominina manana olona manana ny maha izy azy tahaka an’i coach Rôrô izao. Ary mendrika fisaorana sy fandraisana makotrokotroka tahaka izao ny fandraisana azy. Hisaorana ny mpikarakara satria mendrika tokoa izao » hoy i Manampy, mponina ao Ambohimanga rova.

Nandritra izao fandraisana izao tokoa moa dia nisy ny miara-mizotra nankao amin’ny kianja Ankadivory, izay narahina mozika ihany koa. Ary lanonana sy lalao baolina kitra goavana izay notanterahana tao an-kianja ihany.

Manitra R.

Laisser un commentaire