Fiainam-pirenena: Efa maro ireo Ministera no niroso tamin’ny fifamindram-pahefana.
Dépêche 22 février, 14h, Efa maro ireo Ministera izay nahitana fanoloana Minisitra no niroso avy hatrany tamin’ny fiffamindram-pahefana. Tafiditra anatin’izany ny Ministeran’ny Fanatanjahantena, ny Ministeran’ny Angovo sy ny akoran’afo, ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ary ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Hiroso amin’izany ihany koa ireo Ministera ambiny ao anatin’ny fotoana fohy hahafahan’ny asa mitohy amin’ny antsakany sy andavany. Nanambara ireo Minisitra vaovao rehetra fa hitondra fanovana sy fiovana amin’ny tontolo misy azy ireo tsirtairay avy mandritra ny fitantanany eo.
