Ny nandresen’i Quatar an’i Argentine amin’ny handball.
Notapahan’ireo epika avy any quatar ny nofinofin’dry zareo avy any Argentine omaly. Nandritry ny lalao farany nihaonan’izy ireo izay ahitana ny ekipa ho tafiakatra ao anatin’ny dinganan’ny ampahefa-dalana.Ho an’ity ekipa argentine ity dia sambany teo amin’ny tantaran’izy ireo ny hahatafakatra azy eo amin’ny dingana ampahefa-dalana ;Saingy izao noravan’ny epika avy any quatar izao.Raha ny fizotran’ny lalao anefa dia efa nitarika tamin’ny isa maromaro ny argantine teo amin’ny fizaram-potoana voalohany kanefa tsy nahay niaro izany tombon’isa izany.Nifoha tamin’ny torimasony kosa ny ekipan’ny quatar tao aorian’ny fialan-tsasatra ka nahitany vokany izany na dia nampitaintaina aza ny isa ka nivoahan’ny quatar ho mpandresy tamin’ny isa 26 no 25. Na dia resy aza ireto farany tamin’ny lalao niarahana tamin’ny Croatie sy Danemark dia velon-tsiky indray no izao fandresena izao.Izy ireo izany no nahazo ilay tapakila farany ao amin’ity vondrona faharoa ity.Anisan’ny nanampy betsaka azy ireo ny fandresena azon’ny ekipa argantine nanoloana an’i Croitie izay niteraka ny fametram-pialana mpanazatra an’ity ekipa ity.Fahatelon’izao ny ekipa avy any quatar ity izay tarihin’ilay mpanazatra espagnol, Valero Rivera ity no tafiditra ao anatin’ireo ekipa sangany 8 maneran-tany tamin’ny fandraisana anjara miisa 4 ny taona 2015.Nandritry ny fiadiana ny tompon-daka natao tany aminy no vokatra tsara indrindra ho azy dia ny lalao famaranana nihaonany tamin’ny ekipa frantsay.Akoatran’ny quatar dia tafiakatra eo amin’ny ampahavalon-dalana ihany koa ny ekipa frantsay,espagnol,hongrie,soeda ,danmark,ary egypte mpampiantrano ka ny alarobia izao no anatanterahana ny lalao.
