Montsan’i Ryan Crouser ny zava-bita tsara indrindra maneran-tany.
Nametraka firaketana an-tsoratra vaovao amin’ny taranja “lancer du poids” ilay tompon-daka olympika Ryan Crouser, nandresy an’i Rand Barnes, 33 taona, tamin’ny 22,82 metatra ny alahady teo tany Fayetteville (Arkanas). Ity mpilalao avy any Etats-Unis ity, 28 taona, izay nahazo ny satro-boninahitra tamin’ny lalao Rio tamin’ny taona 2016, no nahatanteraka io nandritra ny American Track League, fifaninanana vao noforonina. 22,66 metatra no zava-bita tsara indrindra teo aloha, tamin’ny volana janoary 1989.
