Alasora : Nahazo jiro indray i Ambohibary Ampahibato
Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Alasora. Nahazo jiro indray ny tao Ambohibary, Fokontany Ampahibato. « Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandriana ny fahalemana ny jiro hanazava ny tanàna » hoy i Elson, mponina ao Ambohibary.
« Jiro manazava mandeha amin’ny herin’ny masoandro misia 600 no naparitaka nanerana ny Disitrika Avaradrano. Izany no natao dia mba hanazavana ny tanàna handraisana ny taona vaovao mamiratra » hoy ny Solombavambahoaka mirahalahy sy ny lehiben’ny Distrika eto Avaradrano. « Tsy hijanona hatreo ny ezaka fanazavana ny tanàna. Hitohy amin’ny fokontany hafa izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora.
Efa maro ny Fokontany nahazo jiro hanazava ny tanàna tahaka izao ao Alasora sy ny kaominina hafa. Nahitam-pihenany ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato, izay mila saika ho isan’andro teo aloha.
Nicole Rafalimananjara
