Sabotsy Namehana : Hisy ny dinika mikasika ny saran-dalana
Miantso ireo mpanjifa ny kaoperativa « H » ao Sabotsy Namehana ny kaominina. Hisy mantsy ny fivoriana hiarahana amin’ny filohan’ny kaoperativa sy ny kaominina ary ny mpandeha.
« Miantso ny mpandeha rehetra ho tonga amin’ity fivoriana ity mba handinihana ny mikasika ny saran-dalana. Ny kaoperativa Fafiava sy ny Kofifima no ho tonga amin’izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Ny 22 jolay 2022 manomboka amin’ny 02 ora hariva no ho atao ny fivoriana. Ao amin’ny Efitra Polyvalente no hanaovana izany » hoy hatrany izy ireo.
Tsara raha samy tonga tokoa mba hisian’ny fifanarahana tsara eo amin’ny mapndeha sy ny mpitatitra. Tsy hisy intsony mantsy ny fifanomezan-tsiny rehefa hifanarahana ilay izy.
Nicole Rafalimananjara
