Sénégal : Mitohy ny fihetsiketsehana ataon’ireo mponina, olona telo no efa namoy ny ainy
Nilamina avokoa ny ankamaroan’ny tanàna tao Sénégal tamin’ny sabotsy teo, saingy nitohy kosa ny fihetsiketsehana nataon’ireo mponina tao an-tanànan’i Ziguinchor, izay toerana nitazomana ilay mpanohitra voafonja, Ousmane Sonko. Vokatr’izany, tovolahy iray 19 taona no namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy nandritra ny fihetsiketsehana tao an-toerana. Hatramin’ny niatombohan’ity krizy ity tao Sénégal, olona telo izao no efa namoy ny ainy. Ankoatra izay, am-polony hafa ihany koa no naratra. Marihina, fa mifandraika amin’ny fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena ao an-toerana ity fihetsikehana ataon’ny mponina ity.
