Tsenan’asa : Sahirana ireo mpanolotra asa amin’ny « niveau » an’ireo mpitady asa
Misy ny asa, fa ireo manana ny fahaizana sy ny fahalalana amin’ireny asa ireny no vitsy. Olana iray goavana indrindra sedrain’ny tseann’asa eto Madagasikara izany. Antony ihany koa mampiakatra ny tahan’ny olona tsy an’asa eto. Mila mianatra ary mizatra asa iray izay mahaliana azy ny tanora. Izany hoe mila manana ny mampiavaka azy hahafahana mandray azy ireny amin’ny asa izay mety hiandry azy.
« Toro iray mampisaina mihitsy ny miseho amin’izao eto Madagasikara. Maro ny tanora mandeha mitady asa satria tsy miasa saingy ny mampalahelo dia tsy manana ny fenitra takiana amin’ilay asa ny ankamaroany. Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hanafatra manam-pahaizana vahiny intsony isika fa ireo tanora eto an-toerana no ampiana », hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fampiofanana arak’asa.
« Mimenomenona ny tanora hoe tsy mahita asa. Ny asa betsaka fa ireo mahafeno ny fepetra takiana no vitsy. Raha hitanay fa tsy hahomby izy amin’ny asa izay tadiaviny dia tsy afaka ny handray azy ireo mihitsy izahay. Hampiasa olona tsy afka ny havita ny asa takiana aminy dia hampihemotra ny asa rehetra mifanaraka amin’izany. Ireo tanora mitady asa ihany koa tokony mba manana ny zavatra hainy manokana ahafahana mandray azy fa tsy olona mitovy daholo. Ny torohevitra aloha rehefa mianatra dia mila fantarina ilay zavatra tiany dia mila mitady sekoly manome fampianarana mifanaraka amin’izay sy mila mitady ihany koa stage maro hianarana mampiatra izay hay », hoy ity tompon’andraikitra misahana ny mahaolona ao amin’ny orinasa iray ity (DRH).
« Ny lesoka hitako aloha tamin’ny fitadiavana asa sy ny “entretien” izay efa nataoko dia ity tsy fahampiana experience ity foana. Teo ihany koa ireo fahalalana sasany izay tsy hananako kanefa tokony ho azoko tany anaty fizaran’asa raha nanao. Raha ny fijeriko dia ilaina foana ny mizatra aloha sady mameno izay mety ho banga tany ampianarana », hoy i Safidy, mpizatra asa ao amin’ny orinasa mpikirakira vola iray.
Raha te hahomby amin’ny sehatry ny asa dia hialana ny hakamoana izay tsy hampandroso mihitsy. Tsy tokony ihany koa hanjeny ny andro lava ary tsy tokony variana amin’ny fialamboly be fotsiny. Maro ny tanora tokony hamiratra fa indraindray variana. Maro ihany koa ireo toerana sy sehatra hahafahana mivoatra toy ny firotsahana an-tsitrapo amin’ny fikambanana sy ny maro hafa.
Miora Raharisolo
