Sahantona Mandritsara: Misy fifandirana eo amin’ireo mpitrandraka volamena sy ireo tompo-tanana.
Dépêche 13 décembre, 13h, Misy andian’olona ao Sahantona, Distrikan’ny Mandritsara, manao amboletra ny tanin’ireo tompo-tanàna hitrandrahana volamena. Efa manomboka mangady lavaka izy ireo ary efa maro ny tany no tsy afaka ihariana intsony noho izany ary nifarany dia tsy nanaiky izany intsony ireo mponina. Vokatr’izany dia nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka trano 34, vary, biby fiompy sy ny maro hafa no kilan’ny afo. Toeram-pivarotana iray ihany koa no voaroba. Nisy ny olona naratra izay efa nahazo fitsaboana. Maro noho izany ireo olona tsy manan-kialofana sy tsy manan-ko hanina amin’izao fotoana izao. Efa tonga tany an-toerana kosa ny mpitandro filaminana ka olona miisa 10 no voasambotra ary mbola andalam-pitadiavana ny naman’izy ireo amin’izao fotoana izao.
