Ankadikely Ilafy: Lehilahy iray mpanendaka tratra tao Ambohitrarahaba
Lehilahy iray mpanendaka tao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, no tratran’ny mponina teo ampanaovana ny asa ratsiny tamin’ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, teo am-panendahana mpandeha iray izy no tratra niaraka tamin’ireo namany saingy tafaporitsaka ireto farany.
« Ny tranga tahaka izao no mahatonga ny fitsaram-bahoaka eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Manjaka loatra ny tsy fandriam-pahalemana ka mahatonga ny mponina hitroatra sy tsy hanara-dalàna intsony » hoy i Liva, mponina ao Ambohitrarahaba.
“Ilaina hatrany ny fiaraha-mientana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny mpanao asa ratsy tahaka izao. Entanina hatrany moa ny mponina ao anatin’izany hifanome vaovao sy hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana” hoy ireo avy amin’ny zandarimaria.
Anisan’ny manome endrika ratsy sy laza ratsy ho an’ny faritra iray ny asa ratsy tahaka izao. Ilàna ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay araka izany ny famongorana ny mpanao asa ratsy tahaka izao, indrindra ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana.
Manitra Ramanantsoa
