Fitaterana : Hiverina hiasa ny fitaterana ambony rano amin’ny reniranon’ny Pangalana
Aman-tapitrisany ny olona misitraka ny fitaterana amin’iny reniranon’ny Pangalana iny. Tsy ambakan’izany ihany koa ny fitaterana entana izay tena ilain’ny mponina. Efa andalam-panamboarana amin’izao fotoana izao ireo foto-drafitr’asa ilaina amin’izany izay hataon’ny APMF. Hiverina hiasa araka izany ny ny fifamoivoizana miala ao Toamasina ka hatrany Mananjary ka hotohizana afaka fotoana vitsivitsy ny hatrany Farafangana.
« Hanamora ny fifamezivezena sy hanamora ny fifandraisana ary ny fifanakalozana no antony lehibe tsy maintsy hamerenana ity fitaterana ity indray izay efa tsy niasa nandritra ny fotoana ela. Manodidina ny 4 309 693 ny mponina misitraka ny reniranon’ny Pangalana, manodidina ny 40 000 taonina ny entana voatatitra, ary olona 200 000 no mifamezivezy isan-taona ao. Tsy voatery hampaisa ny lalampirenena ireo olona ireo », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny APMF
« Mety manamora ny fifamezivezena fa mila fiomanana be mihitsy. Tsy mitovy amin’ny mandeha lalana ny mandeha ambony rano. Mety ho adiny 10 hatramin’ny 3 andro ny lalana arakarak’ilay fitaovam-pitaterana », hoy i Angelico, efa mpampiasa izany fiaterana izany.
Tsara ny mampatsiahy fa 600 km ny halavan’ny lakandranon’ny Pangalana, izay mandalo faritra 4 : Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, distrika 9 ary kaominina 34 miala eo Toamasina hatrany Farafangana. Maro amin’ireo toerana ireo no tsy tongan’ny fiara sy fiara andalamby ka miakindoha tanteraka amin’ny reniranon’ny Pangalana. Izany indrindra no antony tokony hamerenana ity fitaterana ity.
Miora Raharisolo
