ActualitésTsidika

Avaradrano:  Tontosa ny fivoriana fanao isaky ny roa volana

Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana fanao isaky ny roa volana, iarahan’ireo ben’ny tanàna, ato anatin’ny distrika Avaradrano. Nandritra izany no nanaovana ny tatitry ny asa vitan’ireo mpitantana isaky ny kaominina ary ihany koa ireo fanaovana ho fampandrosoana ny kaominina manerana ny distrika, araka ny voalaza.

« Ankoatra ireo tatitra mahakasika ny asa vitan’ny ben’ny tanàna tsirairay sy ny fanamarihana isan-karazany, dia noresahina manokana nandritra izany fivoriana izany ny mahakasika ny komity loharano, ny karinem-pokontany misy QR code ary ny tetik’asam-panjakana ho an’ny distrika avaradrano » hoy ireo avy amin’ny FIBA.

« Nasian-dresaka nandritra izany fotoana izany ihany koa  ireo tsara ho fantatra momba ny fifidianana solombavambahoaka, izay ho tanterahina ny 29 martsa izao ary ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy » hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Nitarika ny fivoriana nandritra izany moa ny lehiben’ny distrika avaradrano ary saika nahatonga solontena avokoa ireo rantsa-mangaika avy amin’ny solotenam-panjakana sy ireo olom-boafidy ary avy amin’ny rafitra sosialy isaky ny kaominina.

Laisser un commentaire