Zazavavy kely vao teraka kambana, tsy misaraka ny kibony ao Ampanefena.
Tao amina hôpitaly tsy miankina iray tao Ampanefena ity zaza ity no teraka tamin’ny 11 Aprily 2024 lasa teo. Akory ny hagagana fa toa kambana ny zaza saingy tsy misaraka.Tokony halefa aty Antananarivo hanaovana ny fandidiana ilay zaza nefa tsy misy ny enti-manana amin’izany ireo Ray aman-dreniny.
