Tournoi du maire 2022 : Efa manomboka ny fiadiana ny tompon-dakan’ny ben’ny tanàna 2022 ao Alasora
Manomboka ny 01 may 2022 ny fiadiana izay ho tompon-dakan’ny ben’ny tanàna ao Alasora. Eny amin’ny Kianja Est-Mahazoarivo no hanatanterahana izany.
« Efa voazara avokoa ireo mpilalao amin’izany. Misy vondrona 8 ny sokajy mandritra io izay nanavahana ny klioba mpandray anjara rehetra. Misy klioba 4 na 5 kosa ao anaty ny vondrona iray » hoy ny mpikarakara. « Tena mahafinaritra tokoa ny eto Avaradrano izay manandratra hatrany ny tontolon’ny baolina kitra. Hantenaina fa hisy ireo sangany avy eto hilalao amin’ny sehatra iraisam-pirenena aoriana kely ao » hoy i Philbert, mponina ao Alasora.
Saika misy ity fiadiana ny tompon-dakan’ny Ben’ny tanàna ity avokoa manerana ny kaominina eto Avaradrano. Tena hita fa matanjaka tokoa ity fantanjahan-tena iray ity eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
