Tsena : Hisolo tena an’ny Madagasikara ireo orinasa 12 mpamokatra vokatra « bio » amin’ny Salon Biofach 2023
Miisa 12 ireo orinasa hisolo tena an’ny Madagasikara amin’ny Salon Biofach 2023 izay hatao any Nuremberg Allemagne ny 14 ka hatramin’ny 17 febroary izao. Ireto avy ireo orinasa ireo : Anis Herb, APLV, Bioesoil Madagascar, Ferme Mahasoa, Floramad, HavaMad, Jacarandas, Lycheeland Madagascar, MG SAKAY, Moringa Wave, Sahanala ary Sambirano SA. Tanjona iombonan’ireo orinasa ireo ny hampahafantatra ny vokatry ny tsirairay eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena.
« Manana ny fahaiza-manaony tsirairay ireo orinasa ireo hahafahana mamokatra zavatra ara-pahasalamana. Samy manana ny fahaiza-mamorony avy ihany koa ka izany rehetra izany indrindra no entina eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena hahafahana maka mpanjifa sy mpiara-miombon’antoka vaovao. Biofach no sehatra iray fanararaotra sy mora hahafahana mahazo izany », hoy ny solontenan’ireo orinasa ireo.
« Matetika rehefa bio dia lafolafo hatrany satria izay indrindra no mampiavaka azy noho ireo vokatsoa entiny. Ankoatra ny fanaparitahana izany eny anivon’ny tsena iraisam-pirenena dia tokony hampiroboroboana ny fivarotana azy eto an-toerana amin’ny vidiny mirary tsy lafo loatra kanefa tsy maha maty antoka ny mpamokatra ihany koa. Mendrika ny hahazo izany avokoa ny Malagasy rehetra », hoy i Germain, olon-tsotra naneho ny heviny mahakasika izany.
Ity « Salon Biofach » ity no lehibe indrindra mahakasika ny sehatry ny « bio » mahakasika ny vokatra ara-tsakafo. Mampiantrano mpampiranty avy amin’ny firenena maro izany ka tokony hararaotina indrindra ho an’ny mpandraharaha rehetra ao anatin’izany tontolo izany. Tsy tokony hadinoina anefa fa mbola mila ary ilaina ihany koa ireny vokatra tsara ireny ho an’ny Malagasy.
Miora Raharisolo
