République Démocratique du Congo : Fiaraha-miasa amin’ny Union Européenne
Nampanantena fiaraha-miasa eo amin’ny Union Européenne sy ny Republique Democratique du Congo ny filohan’ny fila-kevitra Eoropeanina, Charles Michel, ny alakmisy 29 aprily lasa teo nandritra ny fitsidihana tany Kinshasa. Hananganana fiaraha-miasa ny eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy fandrimpahalemana ary ny tontolo iainana. Isan’ny manampy ny Union Africaine izao fiarahamiasa goavana izao eo amin’ny sehatra toe-karena amin’ny famatsiana ireo foto-drafitr’asa, sy famoronana asa, fanohanana ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny filaminana hoy hatrany izy. Nandritra io fitsidihany tany Kinshasa io ihany koa no nanolorany sambo roa ho an’i RDC mba hanatsarana ireo fivezivzena any amin’ny renirano Congo. Araka ny fangatahan’ny RDC, hanome vola 60 Tapitrisa Euros ny Union Européenne mba hanatsarana ny renirani mirefy 2300 km indrindra amin’ny reniranon’i Congo, Kisangani, Kasaï hoy ny delegasionan’ny vondrona Eoropeanina. Nilaza ihany koa i Charles Michel fa hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny fitantanana maharitra ny ala’ny « Bassin du Congo » nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety niarahany tamin’ny Filoha Congolais, Félix Tshisekedi sy ny filohan’ny Union Africaine.
