Dépêches

Antsohihy : Zaza 12 taona indray no maty natelin’ny rano tao Ambavan’Ampondrabe

09 Martsa, 08h00. Nandeha nanjono ankamba tahaka ny efa nahazatra azy tao amin’ny vava-ranon’Ampondrabe ‚ manelanelana ny kaominina Ambodimandresy sy fokontany Ankiririky Nord II ‚ Antsohihy ity zazavavy kely vao 12 taona monja ity sy ny reniny. Ny 6 martsa tamin’ny 02 ora tolakandro izy mianaka no natelin’ny rano ary avotra ny reniny raha tsy nipoitra nandritran’iray andro nahery kosa ilay zazakely. Natao ny fikarohana ary omaly tamin’ny 05 ora hariva no hita natsingevan’ny rano ny nofo mangatsikany. Hoentina any Ampanihira, Ankerika ny nofo mangatsikany androany 09 Martsa.

Laisser un commentaire