ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Mbola maro ny tokan-trano tsy manana toeram-pivoahana

Nandritra ny fanatanterahana ny atrikasa mikasika ny fandalinana ara-tsosialy, izay nanaovan’ireo tomponandraikitra ny fanadihadiana teny amin’ireo mponina isan-tokatrano no nahitana ny olana mbola hiainan’ny mponina eny ifotony. Mbola maro ireo tsy manana toeram-pivoahana, araka ny voalaza.

« Mbola maro ireo tokan-trano tsy manana toeram-pivoahana ka dia feno loto ny tanàna, izay tena mahamenatra raha amin’izao fotoana no misy olana toy izany. Ankoatra izany anefa dia mety hitondra aretina ho an’ny manodidina izany » hoy i Solo, mponina ao Ambohimanambola.

« Ao anatin’ny fanamarinana ny tranga ny kaominina amin’izao fotoana ka hiroso amin’ny fanolorana fitsipi-pifehezana momba ny kabone aorian’izay. Hisy ihany koa ny fanentanana sy ny fanabeazana ny mponina » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

Tomponandraikitra ny tsirairay amin’ny fitandroana ny fahadiovana eny amin’ny fiaraha-monina.  Ilaina fiara-mientana sy fifanoroana anefa izany.

Laisser un commentaire