Angleterre : Soavaly tafaporitsaka, nirifatra nanerana ny arabean’i Londres
Soavaly roa no hita nirifatra tao amin’ny arabean’i Londres. Araka ny fahitana azy ireo, dia avy amin’ny toerana fiompiana sy fanazarana azy, noho izy ireo mbola nahitana ny fatorana tamin’ny lohany sy ny vatana. Nihoson-dra ny iray tamin’izy ireo. Araka ny nambaran’ny polisy ao an-toerana, soavaly maromaro no nentin’ny mpanazatra biby nanao famerenana tao an-toerana, ary nokasaina hentina tao amin’ny toeram-pitsaboana biby ireo biby ireo. Polisy maromaro moa no nahetsika mba hisamboatra ireo soavaly ireo ary tafaverina soa aman-tsara tao amin’ny toerana fiompiana azy ireto farany.
