SocialTatitra

Etats-Unis : Polisy efatra maty voatifitra nandritra ny fifandonana tao avaratr’i Caroline

Polisy efatra no namoy ny aina ary iray hafa naratra vokatry ny fifampitifirana niseho tao Charlotte, tanàna iray any avaratr’i Caroline, atsimo atsinanan’i Etats-Unis. Nanao fidinana an-tsehatra, hikaroka sy hisambotra lehilahy iray voaheloka sy voalaza ho mitazona fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izy ireo nandritra izany ka teo no nisian’ny fifampitifirana. Namaly ny tifitra nataon’ireo olona avy ao amin’ny trano nahiana nisy ilay lehilahy ny polisy ka maty avy hatrany teo an-jaridaina ilay nitifitra voalohany. Nitohy hatrany anefa ny fitifirana ireo polisy avy any anatin’ny trano. Taorian’izay, tovolahy iray 17 taona no voasambotra niaraka tamin’ny vehivavy iray. Nilaza moa ny avy amin’ny sampan-draharahan’ny polisy tao an-toerana fa tsy mbola tranga nampivarahontsana tahaka ny niseho tamin’io andro io tao an-toerana, ka namoizana mahery fo, mpiaro ny vahoaka.

Laisser un commentaire