SocialTsidika

Fiakaran’ny vidim-piainana : Tokony tsy hihoatra ny 6%

Voafehy tanteraka ny fiakaran’ny vidim-piainana raha raha ny vinavinan’ny banky foiben’i Madagasikara. « Tsy tokony hihoatra ny 6% ny fiakaran’ny vidim-piainana hatramin’ny faran’ny taona 2021. Ary ho voafehy izany na misy aza ny fidinan’ny sandan’ny Ariary tao anatin’ny volana maromaro izay », hoy ny tompon’andraikitra teo amin’ny banky foiben’i Madagasikara.

Araka ny tatitra ara-toe-karena navoaka, tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana ny fiovaovan’ny sandan’ny Ariary io. « Tokony tsy misy fitomboan’ny vidin’entana mihoatran’ny tokony ho izy noho ny fitotonganan’ny Ariary satria ny ankamaroan’ny entana na vokatra tsy voatery ho nafarana avokoa », hoy ny governoran’ny banky foiben’i Madagasikara. Ankilany anefa, ahiana ho mbola hitohy ny fidinan’ny sandam-bola eto amintsika. Efa misy ny fepetra manokana raisina mba hisorohana tsikelikely io fitotonganana io.

Nanomboka ny volana janoaray hatramin’ny volana oktobra teo nihena 12% raha oharina amin’ny Euro ny Ariary. Ary nihena 7, 4% raha oharina amin’ny Dollar. Mifandray amin’ny krizy nateraky ny fisian’ny aretina covid-19 avokoa ireo tranga ireo. « Ho an’ny fanondranana Nickel sy Cobalt ohatra, nidina 53, 8% sy 57, 6% izany » hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Ny sehatry ny fizahan-tany ihany koa nihena noho ny fikatonan’ny sisin-tany.

Vinavinaina hihatsara miandalana ny toe-karen’i Madagasikara ny taona manaraka eo na eo ary ny lesoka maro isan-karazany. Efa misy ny tanjona faritan’ny fanjakana kanefa mbola hita taratra fa tsy mitsahatra ny miha-mitotongana tsikelikely ny fiainan’ny Malagasy. Maro ny mitaraina amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana toy ny filàna andavan’andro. Ary mbola tsy misy fepetra sy fihetsika hita maso nataon’ny fanjakana manoloana izany. Ilaina hatrany ny mijery ny vahoaka, ny mijery ny fototra hisian’ny olana amin’ny fampandrosoana, ary koa mametraka vahaolana hisorohana izany.

Andy Rafidimanana

Laisser un commentaire