Coupe du maire 2022 : Ho atomboka ny lalao ao Ambohimanambola
Miisa 33 ireo ekipa handray anjara amin’ny fifaninanana amboaran’ny ben’ny tanàna 2022, izay hatao manomboka ny 15 may hatramin’ny 25 jona ho avy izao. Notontosaina ny 7 may teo ireo fivoriana ara-teknika mikasika ny tetik’asa.
« Nozaraina tamin’ireo solontenan’ny ekipa tsirairay avy ireo tanjona sy vokatra andrasana amin’ny fifaninanana. Nozaraina ihany koa ny fepetra sy fitsipika mifehy ny lalao sy ny fifaninana. Natao ihany koa ny fisarihana isam-bondrona. Nomena ireo solontena ny « licence » sy « bordereaux » ahafahana manamarina ireo mpilalao isam-pokontany » hoy ny mpikarakara. « Tena mahafinaritra mihitsy ny fikarakarana tahaka izao. Tsy latsa-danja amin’ireo kaominina eto Avaradrano i Ambohimanambola. Toy ny Kaominina rehetra di amampiroborobo hatrany ny tontolon’ny baolina kitra izy » hoy i Rova, mponina ao Ambohimanambola.
Fantatra fa i Volomborona ao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo sy Morarano ao amin’ny fokontany Ambohibato no hanao ny lalao fanokafana ofisialy.
Nicole Rafalimananjara
